Omaly tokony ho tany amin’ny 1 ora tany ho any, raikitra ny antsoantso fa nisy vehivavy nangalatra vola tao amina mpivarotra iray tany Ambatondrazaka. Raha nahita ilay ramatoa fa ho tratra izy, naparitany eran’ny tsena avokoa ny vola nalainy tao am-pivarotana. Avy hatrany dia nijanona nifandrombaka ireo volabe ny mpanenjika sy ireo rehetra teo an-tsena tamin’io fotoana io. Rehefa izany vao nitohy indray ny fikarohana an’ilay mpangalatra ka tratra ihany izy tamin’ny farany. Rehefa nosavaina ny anao vavy dia hita tany anaty silipony ny vola 350 000 ariary.
Rehefa nanontaniana kosa ilay mpivarotra dia nilaza fa hatrany amin’ny 1 tapitrisa ariary ny vola lasan’ity vehivavy ity. Izany hoe, nahatratra hatrany amin’ny 700 000 ariary ireo naparitany teny an-tsena. Araka ny fantatra dia efa tena kinga amin’ny halatra isan-karazany ilay ramatoa. Omaly, norebirebeny ilay mpivarotra haka entana ho azy tany ambadika tany. Vao dify ilay tompon’ny tsena dia noraofiny ny vola maty rehetra tamin’ny maraina manontolo.
Janus