- Publicité -
dimanche, juillet 20, 2025
AccueilFaits-DiversFenerivo Atsinanana : Tratra ilay lehilahy mpisandoka ho zandary.

Fenerivo Atsinanana : Tratra ilay lehilahy mpisandoka ho zandary.

Tratra teo am-panaovana ny asa fisandohana ho zandary fanaony niaraka tamin’ny fanamiany, ny lehilahy iray 44 taona, izay mponina ao Anjoma Toamasina, saingy tonga hatrany Fenerivo Atsinanana sy ny manodidina azy misoloky olona amin’ny filazany ny maha-zandary hosoka azy.

Ny zandary nanao fitadiavana azy noho ny fisolokiana maro efa vitany no nahatratra azy tao Anjomba Fenerivo Atsinanana izao ny talata teo, izay mbola teo am-piresahana tamin’ity fianakaviana mpitandrina iray ity amin’ny fisolokiana fanaony. Mbola tratra teny aminy avokoa ireo karatra hosoka ilazany fa zandary izy sy ny kara-panondrom-pirenena hosoka ihany koa nataony tao Toamasina I. Tsy nandà ny asa fisolokiana nataony ny anao lahy, saingy nilaza kosa fa vao sambany izy no nanao izao asa ratsiny izao noho ny resaka tsy fananana asa. Raha ny vaovao avy amin’ny zandary tao Fenerivo Atsinanana anefa, dia efa fanaony izao fisolokiana izao, ary efa am-polony ny fitarainana voarain’ny zandary mikasika azy, na tao Fenerivo Atsinanana, na tao Toamasina tampon-tanana, na ireo distrika manodidina an’Analanjirofo.

Ankoatra izay, dia nomarihan’ny kolonely Chateau Briand lehiben’ny tobim-paritry ny zandary ao Fenerivo Atsinanana, misahana ilay raharaha fanafihan-jiolahy tao Ambohibe Vavatenina nisiana fandorana trano niisa 5 iny, fa efa misy olona iray voasambotra tamin’iny raharaha iny, ka eo am-pakana am-bavany azy izy ireo hahalalana ny marina rehetra.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici