- Publicité -
samedi, juillet 19, 2025
AccueilFaits-DiversMiarinarivo : Tratra ireo jiolahy nanafika ny fiaran’i Lecofruit

Miarinarivo : Tratra ireo jiolahy nanafika ny fiaran’i Lecofruit

Iray volana taorian’ny nitrangan’ilay fanakanan-dalàna, nihatra tamina fiarana orinasa mpanodina voankazo iray etsy Tanjombato tany Miarinarivo, dia fantatra fa nivaly ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro filaminana. Olona enina no voasambotra, ny roa tamin’ireo no tena tompon’antoka nivantana tamin’ity fanafihana namoizana ain’olona roa ity. Raha ny fanazavàna azo dia ny alakamisy teo izy ireo noraisim-potsiny tao an-tranony tany amin’iny faritra iny ihany, taorian’ny angom-baovao natao’ireo mpanao fanadihadiana. Mbola hita tao an-tranon’ireto roalahy ireto ny sakaosy iray an’ilay orinasa, nisy ny vola valo tapitrisa ariary nangalarin’ireo olon-dratsy. Mazava ho azy fa efa nanjavona kosa ny vola, tsy hita tao ihany koa ny basy nentin’izy ireo tamin’io fotoana io. Tetika efa nomanin’izy ireo mihitsy ity fanafihana nitranga ny 8 janoary lasa teo ity. Efa fantatr’izy ireo tsara mantsy ny lalan’ilay fiarabe ary fantany ihany koa fa hitondra vola, vidim-bokatr’ireo tantsaha izy io tamin’io fotoana io. Araka ny fanazavàna nentin’ilay tompon’andraikitry orinasa dia olona mipetraka tsy lavitra ny toerana fizaran’izy ireo vola ho an’ireo tantsaha ireto olon-dratsy ireto, ka tamin’izany no nahafantaran’izy ireo ny fotoana nandalovan’ilay fiara. Tsiahivina fa olona telo, samy mpiasan’ilay orinasa avokoa no voatafika tamin’io fotoana io. Ny roa tamin’ireo no maty tsy tra-drano voan’ny balan’ireo olon-dratsy, naratra mafy saingy efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy kosa ny mpamily. Androany no fantatra fa hohenoina eny anivon’ny Fampanoavana ireo olona voarohirohy tamin’ity resaka fanakan-dàlana miharo vono olona ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici