Sendra ny nahay azy ireto olon-dratsy ireto. Jiolahy maromaro nirongo basy, no nanafika fivarotana iray teny amin’iny faritra Anosizato iny, ny sabotsy hifoha alahady teo. Tsikaritry ny tompon-trano anefa izany ka avy hatrany dia namaly bontana ireto olon-dratsy ity farany tamin’ny alalan’ny tifitra. Vokany, roa tamin’ireo jiolahy no naratra mafy voan’ny bala, tafatsoaka kosa ireo sisa ambiny rehefa hitan’izy ireo fa namaly ny tompon-trano. Tokony ho tamin’ny 11 ora alina tany ho any no nitrangan’ity fanafihana ity. Trano fitoeran’entan’ity fivarotana ity no nokendren’ireo olon-dratsy. Efa tafavoakan’izy ireo mihitsy aza ny entana tao anatin’ilay fivarotana tamin’io fotoana io, vao taitra ny tompon-trano. Ity farany izay natory tao ambony rihana, teo amin’ny trano ankilan’ilay voaroba. Raha ny fanazavana azo, dia somary nisamaritaka ireto jiolahy, nibata ireo entana nalain’izy ireo, ka izay no nanaitra ilay tompona fivarotana. Tsy nisy alaharo alaharo fa ny an’ity farany no nataony tonga aloha, izay manana basy rahateo ihany koa, rehefa hitany fa nitondra fitaovam-piadiana ireto mpandroba. Nirefotra avy hatrany ny basy, izay nanaitra ny manodidina. Voa teo amin’ny tongony ny roa tamin’ireo jiolahy, nanavotra ny ainy kosa ny ambiny sisa, namela ireo entana notaomin’izy ireo. Noraisim-potsiny araka izany izy roalahy ireto. Nisy avy hatrany tamin’ireo fokonolona no niantso pôlisy raha vao nahareo feom-basy. Tonga teny an-toerana ireto farany, nisambotra ireto jiolahy naratra ireo sy nitondra izany tamin’ny hôpitaly. Efa mandeha ny famotorana sy fitadiavana ireo naman’izy ireo hafa amin’izao fotoana izao. Marihana fa vao tamin’ny herinandro no efa notafihan’ny jiolahy ity fivarotana ity raha ny fanazavana azo hatrany.
m.L