Zazavavikely vao dimy taona monja no may nitsovaka tarehy notondrahan-drenikeliny ny rano mangotraka, ny sabotsy antoandro teo, tetsy Ampasanimalo. Raha ny fanazavana azo dia voalaza fa tratran’ity renikeliny nangala-pihinana ity zana-badiny. Tezitra ny anao vavy ka notondrahany rano mangotraka avy ao am-bilany, saika handrahoana vary teo ambony fatana ilay zaza. Tsy nahatanty ny fahavoazana nanjo ny menaky ny ainy ny rain’ilay zaza ka raikitra ny ady. Vory ny olona teo amin’ny manodidina. Nahazo fitsaboana haingana sahaza azy kosa ilay zaza ka tsy misy hatahorana ny ainy, raha ny fanamarinan’ny mpitsabo.
Eric Manitrisa