Ny zandary no misahana ny fanadihadiana; izay mahakasika ny fanafihana mitam-piadiana nihatra tamin’ny mpiasan’ny orinasa Lecofruit nanao fanangonam-bokatra teny amin’ny distrikan’i Miarinarivo-Itasy. Ny zoma lasa teo no nitrangan’izany ary amin’ny andro mazava, tokony ho tamin’ny sivy ora maraina. Olona roa no maty voatifitra tao anatin’ilay kamiao izay nentin’ireo mpiasa ary mbola nisy iray naratra mafy ihany koa. Vola mitentina valo tapitrisa ariary natao tao anaty kitapo no lasa. Raha ny fanazavan’ny zandary, dia ny olona no nampandre ny zandary izay nanao ny fanarahan-dia sy ny fisamborana avy hatrany. Voasambotra tao anatin’ity raharaha ity ny miaramila iray, mitondra ny grady Sergent-Chef. Notazonina niaraka taminy ihany koa ny zanak’anabaviny izay voarohirohy ho niara-tompon’antoka taminy tamin’ny fanatontosana ity heloka bevava ity. Raha araka ny vaovao nampitain’ny zandary hatrany, dia olona roa izay nitazona poleta iray no nanao ny fanafihana. Rehefa voasambotra ilay miaramila sy ny havany iray, dia niitatra tamin’ny fitazomana olona efatra hafa izay voarohirohy ho mpiray tsikombakomba tamin’izy ireo ny raharaha. Tsy mijanona amin’izany ihany anefa ny fanadihadiana ,satria mbola misy atidoha nikotrika karohina, raha araka ny mpitandro ny filaminana hatrany. Raha efa nekena fa niparitaka ny basy ary nolazaina hatrany fa ireny krizy nifandimby ireny no tena anton’izany, ny tranga toa izao kosa dia toa tsy manamarina an’izany loatra : mpitandro ny filaminana amperin’asa ary mitazona fitaovam-piadian’ny mpitandro ny filaminana no nanafika.
D.R