- Publicité -
jeudi, juillet 17, 2025

Tapatapany

#Ambatondrazaka. Zazavavy kely 7 taona simba tanteraka, naolan’ny tovolahy 18 taona havany. Ankizivavy vao fito taona monja no simba tanteraka taorian’ny fizaham-pahasalamana nataon’ny mpitsabo azy, rehefa naolan’ny tovolahy 18 taona, zana-drahavavin-dreniny. Vahiny hihazo an’Imerimandroso, taorian’ny fahatongavany avy any Toamasina, nangataka ny hivantana tao amin’ity tokantrano ity, io tovolahy nahavanon-doza. Rehefa avy nianatra ilay zazavavy kely no tsikaritry ny ray aman-dreniny ho hafahafa, satria sady nanao ranomaso be no nifona. Nofotorana lalina dia sahy nitantara ihany tamin’ny antsipiriany ny zava-nihatra taminy, na dia norahonan’ilay tovolahy mafy tsy hiteniteny amin’iza na amin’iza aza. Nanambara izy fa notampenana ny vavany mba tsy hahafahan’ny miantso vonjy. Nitsoaka ilay mpanolana rehefa nahavita heloka bevava. Nokarohina ka voasambotra tany Imerimandroso. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha amin’izao, hoy ny vaovao.

#Toamasina II. Taolam-paty 26 hitan’ny fokonolona tao Manantohatra. Nirongatra tato ho ato ny halatra taolam-paty sy vaky fasana. Taolam-paty miisa 26 no hitan’ny olona, tao an-tanànan’i Manantohatra, fokontany Antanambao, kaominina Fanandrana, distrikan’i Toamasina II, ny zoma lasa teo. Nampandrenesina ny mpitandro filaminana ary tonga teny an-toerana avy hatrany niaraka tamin’ny tompon’andraikitry ny Bmh, nijery izany, ka araka ny fizahana natao dia avy amin’ny razana miisa 3 ireo taolana ireo, ka miisa 11 ny taolan-dava ary mahatratra 15 ny taolana madinika. Araka ny vaovao voaray dia tsy nisy fasana vaky teny amin’ny manodidina. Tombanana ho narian’olona teo amin’io tanàna io, noho izany, ireo taolana ireo rehefa tsy nahitana mpividy. Nandray andraikitra kosa ireo fokonolona nandevina ireo taolam-balo teny amin’ny fasam-bahiny. Misokatra ny fanadihadiana.

#Ady tany tao Belinta – Tsy nanaiky noroahina tamin’ny toeram-ponenany ireo fokonolona. Raikitra ny sakoroka sy tora-bato, trano am-polony no nofantsihina varavarana. Tany mirefy 26ha mahery no ifanolanan’ny fokonolona sy « Compagnie Madecasse ». Ity farany no nahazo rariny teny amin’ny fitsarana noho ny fananany taratasy ara-dalàna ho tompon’ny tany ara-panjakana amin’ny tany roa vita baorina sy « titre » dia CMC-10 titre 1736-BR sy Geneviève titre 1656-BR, ka mandroaka ireo fokonolona very zo ao Belinta amin’ny tranony, ny alatsinainy maraina teo, niaraka tamin’ny vadintany sy mpitandro filaminana nampihatra didim-pitsarana. Tsy nanaiky mora izany anefa ireo fokonolona tezitra sady manizingizina fa efa hatrany amin’ny 1960 no nipetraka teo, ary nilaza fa nanomboka ny taona 2006 no nikarakara ny fizakana ny tany ka nanao izany tamin’ny ambaratongan’asa rehetra teny amin’ny sampan-draharaham-panjakana misahana ny fananantany. Raikitra ny savorovoro sy tora-bato. Trano am-polony maro no nofantsihana varavarana sy varavarankely. Ramatoa be iray no torana tsy nahatsiaro tena nifamonjena raha saika nandrindrina ny tranony ny vadintany, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici