- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversAndrondra : « Chorale » telovavy nisy nanafika, naratra mafy

Androndra : « Chorale » telovavy nisy nanafika, naratra mafy

Mihoatra ny loha ny zava-misy eny amin’ny manodidina an’i Morarano, Ambohitsoa, Mahazoarivo ary Androndra. Nisy vehivavy iray naratra mafy ary miady amin’ny fahafatesana aza rehefa notafihan’ny olon-dratsy ny alin’ny alatsinainy teo. Teo Ampamantanana-Androndra, raha araka ny vaovao azonay, no nitrangan’izany. Avy namonjy fianaran-kira teo anivon’ny “chorale” an’ny fiangonana iray eo an-toerana izy telo vavy, izay mbola samy tanora avokoa ,no nisy nanafika teny an-dàlana hody. Ny roa mba tafatsoaka ihany fa ny iray kosa no taraiky ka niharan’ny daroka sy vono. Omaly dia mbola notsaboina tao amin’ny hopitaly ny tenany ary mbola ratsiratsy, raha araka ny loharanom-baovao teo anivon’ny toeram-pitsaboana, ny toe-pahasalamany. Faninefany izany izao no nisy daroka sy vono izay nihatra tamin’ny vehivavy teny amin’iny boriborintany iny. Ny telo amin’ireo dia teo Morarano sy Ambohitsoa no niseho ary maty avokoa ireo vehivavy niharan’izany. Nitovy avokoa ny fitrangan’izany, ankoatra ny daroka dia mbola nisy fanolanana ihany koa. Izany no nitambatra ka nitarika ny fahafatesan’ireo andriambavilanitra. Samy voavely teo amin’ny lohany avokoa izy ireo ary nivoaka rà ny sofiny sy ny orony. Raha ny tsikaritra ihany koa dia samy tao anatin’ny orana avokoa no nitranga ireo vonoan’olona telo. Raha ny fihevitry ny mponina eny an-toerana dia ilay trangan-javatra miendrika vonoan’olona avy amin’ny alàlan’ny « bois rond » no tonga eny an-toerana. Mbola ireo olona mipetraka eny an-toerana ihany koa no milaza fa efa nampitandrina ireo olon-dratsy fa hitety tanteraka ny kartie rehetra amin’iny boriborintany iny. Vao niely mihitsy izay feo izay ny herinandro lasa teo, taorian’ny nisian’ny vonoan’olona iray teo Morarano, dia iny tokoa fa nitranga indray ity tetsy Androndra ity, eny fa na dia Soanierana aza no voalaza tamin’izay fa handalovan’ireo olon-dratsy, raha ny fitatitry ny olona hatrany. Mihorohoro ny mponina, indrindra ny vehivavy eny an-toerana

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici