Niakatra fampanoavana sy zokiolon’ny mpitsara mpanao famotorana Toamasina omaly tolakandro, ilay teratany Polonais tafiditra tamin’ilay raharaha halatra nikelan’Ambatovy niisa dimy kaontenera tratra tao an-tokotan’ny Mictsl, efa vonona ny haondrana ho any Pays-Bas, araka ny taratasiny.
Efa ny maraina no nentin’ireo zandary nisahana ny fanadihadiana ity teratany Polonais ity, izay narahan’ny mpisolovava azy hatrany nandritra izany. Ny tolakandro vao nisy ny fiantsoana azy ireo teo anivon’ny fampanoavana, izay mbola nanomana ny fehinteny fanenjehana azy tamin’izao raharaha halatra nikelan’Ambatovy izao. Tsy nisy antsasak’adiny akory izy sy ny mpisolovava azy niditra teo anivon’ny zokiolon’ny mpitsara mpanao famotorana, dia nivoaka ny didy savaranando ho fiandrasany fonja vonjimaika izao. Efa nanampo izany koa ireo namany sy olom-patany eto amintsika manaraka azy, ka efa nanomana izany sy efa nanao fanadihadiana momba ny fonja ben’i Toamasina.
Raha hiverenana anefa ity raharaha ity, dia ireo mpiasan’ny fadintseranana niahiahy ny zava-nisy tao anatin’ireto kaontenera dimy voalaza fa vatosoa efa nahazoana alalana no tao anatiny, no tsy nanaiky fa tsy maintsy hisava izany. Nivoaka masoandro teo ny nafenina fa tsy vatosoa no tao anatiny fa nikelan’Ambatovy, izay nokasaina naondrana tany Pays-Bas. Efa nisy mpiasan’Ambatovy maromaro voasaringotra tamin’ity raharaha ity, izay efa miandry fitsarana am-ponja. Ireo mpiasan’ny fandintseranana voarohirohy tao anatiny kosa dia ny famindran-toerana azy ireo niasa eto Antananarivo no sazy hany azon’izy ireo.
Ankoatra izay, dia fandrahonana mpanao gazety indray no nataon’ireo zandary nitondra ity teratany Polonais ity teo anivon’ny fitsarana. Ny mpanao gazety manao ny asany mitady ny vaovao “tena marina” indray no rahonana sy ampitahorina, nahagaga ihany ny tena antony. Nefa ho hita eo ihany ny tena fandehan’ity raharaha ity, sy izay rehetra mety hifaningotra aminy.
Malala Didier