Noho ny hain-tany : migaingaina ny hafanana, ritra ny rano, tsy misy ny hanin-kohanina. Refona tanteraka ny mponina ary mihamafy ny olan’ny kere any Atsimo. Ao amin’ny kaominina ambanivohitr’ Antaritarike, distrikan’i Tsihombe, mitombo isan’andro ny olona matin’ny kere. Torak’izany koa ny ao amin’ny kaominina Anjapaly sy Faux Cap, izay mbola any amin’ity distrika ity, hoy ny loharanom-baovao marim-pototra, ary misy olona tsy misotro rano telo andro. Efa mihalany ny raketa, satria samy mihinana izany na ny olona na ny biby fiompy. Vokatr’izany, mitsoaka miakatra ny tanàn-dehibe ireo sisam-paty mivarotra ny fananany mba ahafahana mividy sakafo. Raha ny fantatra araka io loharanom-baovao etsy ambony io, izay nohamafisina mponina iray avy any an-toerana, Atoa Tsiraiky, nitafa sy nitantara tamin’ny mpanao gazety tao Toliara ny zava-misy any amin’iny faritr’Androy iny, fa tafakatra 6 000 ariary ny kilaon’ny mangahazo any amin’ny faritra ambanivohitra sasany, nefa tsy manam-bola intsony ny ankamaroan’ny olana ka miandry fahafatesana.
Eric Manitrisa
Antaritarike Tsihombe : Mitombo isan’andro ny matin’ny kere
Articles qui pourraient vous intéresser