- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAnosizato : Mpangalatra menaka roalahy voatifitra, enina hafa voasambotra

Anosizato : Mpangalatra menaka roalahy voatifitra, enina hafa voasambotra

Voasambotr’ireo pôlisy avy amin’ny sampana miady amin’ny heloka bevava etsy Anosy, ny valo lahy voarohirohy ho nandroba fivarotana karàna iray tetsy Anosizato. Andian’olona nitondra fitaovam-piadiana no niditra an-keriny tao amin’ity tokotanina orinasa mpaninjara entana ilaina isan’andro iray teny amin’iny faritra Anosizato ity, ny faran’ny herinandro  teo. Trano fitoeran’entan’ity orinasa ity, io nirotsahan-dry zalahy sasak’alina io. Avy hatrany dia nivantana teny amina fiarabe iray nitondra dabana menaka niantsona teo an-tokotany ry zalahy ireto. Mora tamin’izy ireo ny nandrovitra ny labasin’ilay fiara, ary dabana menaka maromaro no lasan’izy ireo tamin’izany. Rehefa naheno ny kotaba nataon’ireo olon-dratsy nitatitra ny entana ny tompon-trano niaraka tamin’ny mpiambina, avy hatrany dia nitifitra ireto farany tamina basim-borona. Voa tamin’izany ny roalahy tamin’ireto mpanafika, nirifatra nitsoaka kosa ny ambiny, namela ireo entana norobaina. Tamin’ny fahatongavan’ny pôlisy teny an-toerana ,dia noraisim-potsiny ireto mpangalatra roalahy ireto. Natao ny fanadihadiana an’izy ireo, taorian’ny fitsaboana natao azy. Tamin’izany no nahafantarana ireo namany hafa, hoy hatrany ny fanazavana azo tamin’ireo mpitandro filaminana. Teny amin’iny faritra Anosizato Atsinanana iny avokoa no nisamborana ireto olon-dratsy ireto. Misy mpamily sy mpanampin’ny mpamily, mpiray tsikombakomba tamin’ireo tompon’antoka, ary mpividy halatra. Vehivavy ity farany, ary mbola nahitana dabana menaka  32 tao an-tranony. Raha ny fanazavana hatrany, dia nanome toky ireto mpangalatra ity vehivavy ity, fa hovidiny avokoa ireo menaka izay azon’ireto olon-dratsy ireto. Marihana, hoy hatrany ireo pôlisy, fa efa voaroba  ity orinasa ity, ny 6 febroary teo, ka dabana menaka dimampolo mahery teo no very, izay hita tao an-tranon’ilay mpividy halatra. Omaly ihany no nohenoina teny anivon’ny Fampanoavana izy valo mianadahy ireto.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici