Tsy niandry ela fa vao nandeha ilay fampitandremana ho an’ireo mpanao bizina volamena etsy Analakely dia efa nisy sahady ny vondron’ny mpitandro ny filaminana nidina teny an-toerana ary « nanotra » ireo olona. Nampitahorina ireo olona fa hosamborina dia haterina eny anivon’ny mpanao fanadihadiana raha toa ka tsy manome vola. Dia nisy tokoa ny nanapa-kevitra nanome satria efa imbetsaka loatra ireo no niharan’izany ka leo. Raha tsiahivina fohy dia nisy ny filazàna fa namidy teo an-toerana avokoa ny firavaka volamena izay an’ny teratany vahiny iray novonoina tao an-tranony. Nanomboka teo dia nanao fampitandremana ny tompon’andraikitra eo anivon’ny pôlisy misahana ny heloka bevava fa handray fepetra amin’ireo mpivarotra sy mpividy volamena ireo, izay heverina hatreto fa manome vahana ny heloka bevava sy ny fanendahana isan-karazany eto an-drenivohitra. Nohararaotin’ny mpitandro ny filaminana hafa izany mba hanararaotam-pahefana hangalàna vola teo an-toerana…
D.R