- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Fikambanana AMOR, nahatsiaro ireo zaza sembana

Moramanga : Fikambanana AMOR, nahatsiaro ireo zaza sembana

Nanolotra kilalao sy vary ary fitaovam-pianarana mitentina roa tapitrisa ariary ho an’ireo ankizy manana fahasembanana  ara-batana sy ara-tsaina  miisa 15 mpianatra ao amin’ny EPP Moramanga ambony eto Moramanga ny kolonely Ramiaramanana Emma sy ny vadiny niaraka tamin’ny fikambanana AMOR (Amie de Moramanga) izay naorin’izy mivady .Nisafidy ny hanolotra izao fanomezana izao ity manamboninahitra  ambony ity noho ny fahatsapàny fa manan-jo hotolorana fitiavana sy karazan-javatra mahafinaritra azy ireo zaza ireo na dia manana fahasembanana aza. Tamin’ny alalan’ny antso nataon’ny  fikambanana MAMI na Mangoro Mivoatra no nahafahan’ny AMOR nanao izao fanampiana izao raha toa ka efa fanaon’ity fikambanana ity tao anatin’ny efa-taona nijoroany izay ny fanaovana asa soa amin’ny alalan’ny finiavana avy amin’ireo mpikambana ao anatiny, toy ny efa nanampiany ny hopitaliben’ny Moramanga tamin’ny alalan’ireo fitaovana sy fanafody ary ny fanadiovana ny anaty sy ivelan’ny hopitaly. Fampianarana ny mpiara-belona aminy no hampitain’ity manamboninahitra ity satria tsy tokony hiandry fanampiana hatrany vao afaka mifanasoa ny mpiray tanàna fa rehefa samy resy lahatra fa afaka mifanolotra izay misy any aminy dia afaka ahavitana zavatra tsara iraisan’ny rehetra. Feno efatra taona tamin’ity 14 febroary ity  ny fikambanana no sady natao tsangambaton’izay tsingerin-taona izany ny fanolorona fiaraha-mifaly tamin’ireo zaza manana fahasembanana ireo ho fiarahabàna ny taona vaovao niarahan’ny rehetra ihany koa. Maro ireo asa soa izay mbola heveriny atao ho fanasoavana ny tanàna  ho fampandrosoana ny tanànan’ny Moramanga.

CATHY

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici