Isan’ny tranga nahatonga resa-be tao Toamasina ilay famonoana olona feno habibiana hitan’ny olona tao Salazamay atsimo, nisiana fanapatapahana tovovavy izay nampizarazara ny vatany manontolo tamin’ny fotoana nahitana ny razana. Samy nanana ny nandikany azy ny rehetra, ny zava-nisy anefa dia ny vadiny, Randriamahefa Seraphin, 36 taona, ihany no namono am-badiny noho ny fahasarotam-piaro. Ireo anabaviny nitomany nandritra ny fahitana ny faty no nanaitra ny polisy nitarika ny fisamborana.
Tranga faharoa. Raha ny fanazavana nomen’ny kaomisera Ramilison Celestin misahana ny raharaha, dia mbola niara-nisakafo tsara izy mivady, i Seraphin sy Francia, ny antoandro. Ny harivan’ny alatsinainy 8 febroary io anefa, raha nilaza ny haka vola tamin’ity mpiambina tranom-bazaha tsy lavitra ny misy azy ireo i Francia, dia tsy faly i Seraphin noho ny fahasarotam-piarony, ka narahany avy aty aoriana. Teo am-podiana avy naka ilay vola anefa ity tovovavy avy any Ifito Toamasina II ity, dia novonoin’ny vadiny ary naleviny tao anaty rano aloha talohan’ny nanariany azy tao Salazamay atsimo tsy lavitra ny fiangonana Fjkm. Vao efa-bolana anefa no niarahan’izy ireo. Talohan’izay dia efa nisy tovovavy roa niaraka taminy saingy maty noho ny daroka nataon’i Seraphin ilay voalohany, raha norahonany hovonoina kosa ilay vadiny faharoa raha nilaza taminy fa bevohoka, sady mbola noroahiny ihany koa. Nefa raha tonga tao Toamasina nilaza taminy amin’ny fikarakarana ny kopian’ity zaza ny vadiny taloha ity, dia fandrahonana ny hamono ilay zaza indray no nataon’i Seraphin.
Mpiray tendro ny anabaviny. Nandritra ny fanadiadiana nataon’ny polisy misahana ny heloka bevava, dia niray tsikombakomba tamin’i Seraphin ny anabaviny tamin’ity tranga feno habibiana ity. Izy mianadahy mantsy no nandevina ny lamban’i Francia sy ny momba azy rehetra tao an-trano tao Marokarazana, ny talata nahitana ny faty natsipy tamin’ny lalam-pasika ity. Nandritra ny fanadihadiana rehetra nitranga nanomboka ny alakamisy 11 febroary nisamborana azy 4 mianadahy, dia samy niala bala avokoa izy ireo, nefa nokobokobonin’ny marina ny iray noho ny hamafin’ny fanadihadiana, dia niboraka ny tsiambaratelon’izy ireo tamin’ny firaisana tsikombakomba tamin’ny anadahiny noho ny fiarovana azy, ary izy no nanamafy fa saro-piaro loatra ny anadahin’izy ireo mahatonga azy nahavita izao vono olona izao. Nomarihan’ny kaomisera Ramilison Celestin anefa, fa tsy misy resaka halatra taova izao raharaha izao, satria mbola hita teo avokoa ireo taovany rehetra raha somary niletika ny lelany sy ny masony noho filomany tao anaty rano.
Roa andro no niatrika ny mpitsara mpanao famotorana izy ireo, rehefa izany dia nampidirina am-ponja vonjimaika.
Malala Didier