- Publicité SW45 -
dimanche, mars 16, 2025
AccueilFaits-DiversAnosy : Roalahy avy nanendaka, tratra teo am-pisotroana toaka

Anosy : Roalahy avy nanendaka, tratra teo am-pisotroana toaka

Nisy olona voaendaka teny amin’ny faritra Anosy, tsy lavitra ny tribonaly, ny alarobia lasa teo. Voalazan’ny vaovao, fa roa ireo bandy nanendaka tamin’izay ary nitondra sabatra izy ireo. Tsy vitan’ny nanendaka fotsiny ry zalahy, fa mbola nandratra ilay nendahany ihany koa. Nisy naman’ilay niharam-boina, nanjohy avy tao aoriana ny làlana nalehan’ireto bandy ireto. Ny iray kosa nandeha nampilaza tany amin’ny BC Anosy. Tsy niandry fa tonga, dia lasa teny an-toerana ireo mpitandro filaminana. Mbola tratra tany amin’ny toerana nalehany ireo jiolahy, izany hoe tsy lavitra, fa teny Anosy ihany. Teo am-pisotroana toaka izy ireo no tratra ary tsy afaka nihetsika intsony. Ny vola azony tamin’ilay nendahany no nisotroany. Rehefa nojerena, dia mbola hita nisoritra tamin’ny kiraron’ny iray ny rà latsaka avy tamin’ilay olona nodarohan-dry zalahy. Rehefa natao ny fanadihadiana azy roa ireo, dia samy nilaza ry zalahy fa mpanao io asa ratsy io mihitsy. Ny iray moa dia efa fantatra fa eny amin’ny faritra Andavamamba sy Anosibe no tena fanaovany ny endaka rehefa maizina ny andro. Tamin’ny fotoana nahatrarana azy ireo, dia efa tamin’ny 8 ora sy sasany alina. Samy mbola tanora tokoa izy ireo, ny iray 23 taona ary ny faharoa 25 taona.

Omaly zoma no natolotra ny mpitsara mpanao famotorana ireto jiolahy ireto.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici