Sady nihosona maloto sy sempotra tao anaty lavapiringa ity mpangalatra iray ity, no niantso vonjy tamin’ireo mpanenjika azy, ny andro rahateo alina ka tsy nifankahitana .Tanana iray ao anatin’ny distrikan’Amparafaravola no nidirana mpangalatra efa gaigilahy iray; izay nikasa ny hiditra tamin’ny tokantrano ao an-tanana ,efa niomana anefa ny fokonolona ka raikitra ny hazolava tao anatin’ny haizina .Tsy nahita haleha ity mpangalatra rehefa voahodidina ny tanana ka hany heriny niditra tao anaty trano fivoahana efa tranainy sy tsy nampiasaina intsony. Ireo mpanenjika anefa efa very tsy nahita azy. Tampoka teo anefa naheno antso vonjy ny vahoaka ,ka samy tonga nijery avokoa, ary nampiakatra ity olona ity avy tao anaty lavapiringa izay efa nihosona maloto ny vatany iray manontolo. Rehefa nojeren’ny fokonolona anefa ny endriny efa nihosona maloto, hay ilay mpangalatra notadiavina. Hany herin’ny fokonolona nandefa ilay mpangalatra, satria sady tsy mbola nahazo izy no nanahirana ny handray azy amin’izy mihosona maloto sy maimbo, ka dia lasa nirifatra tamin’ny fofona ilay mpangalatra.
Janus R