Lozam-pifamoivoizana iray no niseho tamin’ny lalam-pirenena faha-7, teny Anjomakely, tamin’ny faran’ny herinandro teo. « Camion » iray nitondra entana be dia be no tapaka « frein » ary tsy voafehy intsony ny familiana. Vokany, nivadika ambony ambany ilay fiara be ka lasa tany an-tanimbary. Ireo entana nentiny kosa niparitaka tamin’ny arabe sy ny sisin-dalana. Potika tanteraka ilay fiara. Raha vao nitranga ny loza dia nihazakazaka ny olona manodidina nizaha ny zava nisy. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa saika nisy ny fandrobana. Ireo entana tao anaty fiara moa dia zavatra ilain’ny mponina andavanandro, toy ny sakafo sy ny sisa (PPN). Saika tsy nilamina mihitsy fa soa fa tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Emmo nanakana iroe olona.
Ny vaovao hatrany no nahalalana fa naratra ny mpanampy sy ny mpamily. Ity farany dia nosokirina avy ao ambany fiara mihitsy vao tafavoaka. Efa nalefa notsaboina any amin’ny hopitaly izy ireo taorian’ny loza. Sarotsarotra ihany ny lalana teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza. Matetika moa no misy an’izany eo ary efa nisy mihitsy aza fotoana naharava ilay ohatra ny tetezana eo ambonin’ny lalana fiara, noho ny loza ihany.
r.s.