Nisehoana lozam-pifamoivoizana teny Antanambao Ambohimangakely ny alin’ny zoma tokony ho tany amin’ny 9 ora. Taxi-be nirimorimo no nandona mpandeha an-tongotra niisa telo tamin’ny sisin-dàlana. Vokany, vehivavy iray 31 taona no maty tsy tra-drano, ireo roalahy niaraka taminy kosa naratra mafy avokoa. Ilay ramatoa namoy ny ainy nipitika ary nidona tamin’ny vato ny lohany. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa efa tsy nitondra olona intsony ity fiara fitanterana ity tamin’io ora io, fa handeha hody. Ny vaovao hatrany no nahalalana fa nandeha mafy ilay fiara. Niditra fiolahana izy tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Nisy kamiao nifanena taminy anefa tamin’izay, ary voalaza fa niala an’io fiarabe io izy no lasa nandona ireo mpandeha an-tongotra ireo. Tsy nijanona anefa anao lahy, hoy ny vaovao fa lasa nandeha ihany. Nahafantatra ny vaovao ny zandary miasa eny an-toerana ka nanenjika azy avy hatrany. Tsy lasa lavitra ilay mpampily fa teo akaikin’ilay fivarotan-dasantsy eny Ambohimangakely dia tratra. Nampiasaina avy hatrany ny fitiliana ny alikaola na “alcooltest” ka hita efa nandary zava-pisotro ilay mpamily, hoy hatrany ny vaovao.
Talatamaty. Fa mbola lozam-pifamoivoizana iray hafa ihany koa no nitranga teny Talatamaty ny zoma lasa teo. Nahafaty olona ihany koa ity zavatra ity. Ny vaovao voaray avy amin’ny mpitandro filaminana no nahafantarana fa fiara Mazda iray nandeha mafy no tafasitrika tao ambany kamiao simba teo amoron-dàlana. Vehivavy iray no maty teo no ho eo. Olona roa hafa kosa no voalaza fa lasa nandositra avy hatrany na dia naratra aza. Navelazan’izy ireo teo ilay fiara. Ny vaovao hatrany no hilazana fa toa hoe fiara amboarina eny Ambohidroa ity niharan-doza ity. Tsy nisy taratasy momba azy tao anatiny tamin’ny fotoana’ny loza. Efa misokatra ny famotorana.
r.s.