- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAmbalavelona : Mpianatra 800 no efa voa manerana ny Nosy, hanao vavaka...

Ambalavelona : Mpianatra 800 no efa voa manerana ny Nosy, hanao vavaka fanalana devoly ny FFKM

Tao anatin’ny taona maromaro izay, fantatra fa mahazo laka ny aretina antsoina hoe Ambalavelona manerana ny Nosy. Araka ny antontanisa dia mpianatra eo amin’ny 800 eo no efa tratran’ity aretina hafahafa ity manerana ny Nosy. Trano fianarana eo amin’ny 100 ao anatin’ireo Cisco 114 no efa nahitana ny aretina. Eo anatrehan’izany, manaitra sady mandefa antso avo amin’ny fitondrana ireo mpanabe rehetra, eo anoloan’izao zavatra mampatahotra izao. Voakasika daholo ny sekoly rehetra miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana. Nisy ny fikaonan-doha, ka tapaka fa rahampitso dia hisy ny vavaka fanalana devoly hotanterahina ao amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana manomboka amin’ny 7 ora hariva. Hasaina ho tonga ao avokoa ny tompon’andrikitra isan-tsokajiny avy amin’ny sekoly rehetra, ny mpianatra ary ny mpanabe, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny FFKM ny Révérand David Rakotonirina. Hetsika volaohany ity hotontosaina ity ho an’ny Faritra Analamanga. Ireo sekoly rehetra dia hasaina avokoa hanatrika ny fotoam-pivavahana. Nanampy ny Tale jeneralin’ny fanabeazana sy ny fampianarana mamaky teny, Todisoa Andriamparany, fa hisy ny fotoam-pivavahana handresena ny herin’ny maizina; izay azo avy amin’ny famosaviana dia hotanterahina manerana ny Faritra 22 misy eto amin’ny firenena.

Mandravarava. Mampidi-doza tokoa ny ambalavelona. Toerana maro no ahitana azy, araka ny vaovao : Farafangana, Ambatondrazaka, Morondava, Miandrivazo, Anjozorobe ary eto Andrenivohitra sy ny Faritra hafa toy ny any SAVA sy ny toerana tsy voatonona. Araka ny filazan’ny talen’ny fikambanan’ny sekoly tsy miankina, dia saika mitovy ny fisehon’ny aretina : mihinjitrinjitra ary miteniteny foana, torana avy eo ary mivoaka faroratra ny vava. Toa niharatsy anefa ny fandehan-javatra tato ho ato, satria hita fa lasa toy ny romotra sy mampitahotra ireo ankizy voa ary tena mahery setra mihitsy izay voa. Eo anatrehan’izany, sahiran-tsaina ireo ray aman-drenin’ny mpianatra. Matahotra ny rehetra sao dia mifindra amin’ny zanany ity asan-devoly ity, hoy hatrany ilay talen’ny fikambanan’ny sekoly tsy miankina. Nisy araka izany ny fepetra noraisina fa hakatona vonjimaika aloha ny sekoly sasany nahitana ny aretina. Izany no hatao dia hisorohana ny mety hisian’ny tranga hafa indray.

nangonin’I r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici