- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Ireo zanany ihany no namono nahafaty azy mivady lehibe

Anjozorobe : Ireo zanany ihany no namono nahafaty azy mivady lehibe

Resa-bola no nahavitan’ireto zanany namono nahafaty ireo ray aman-dreniny nahitany masoandro. Andro vitsy monja tao aorian’ny nisian’ilay habibiana niseho tao Ambohikely, Anjozorobe ny 10 febroary lasa teo, izay nahafatesana mpivady efa samy nahazo taona, dia nivaly ny fanadihadiana nataon’ireo zandary. Olona efatra no fantatra fa voarohirohy tamin’ity raharaha famonoan’olona ity, izay tsy iza fa ny zanak’ireo mpivady ireo ihany. Vola mitentina 10 tapitrisa ariary no nambara fa tao amin’ireto mpivady ireto ary nanjavona taorian’ny nahafaty azy ireo. Araka ny fanazavana azo tamin’ny Kômandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimariam-pirenena, Imerina Centrale, “niantefa avy hatrany tany amin’ireto zanany ireto ny ahiahy, rehefa nilaza fa tsy naheno na inona na inona izy ireo ny alina nisehoan’ny loza, kanefa dia monina tsy lavitra ilay trano nisy azy mivady lehibe”. Niaiky avy hatrany ny heloka vitany izy roalahy ireto. Tratra tao an-tranony tamin’ny fisavana natao ny ambim-bola iray tapitrisa mahery. Tamin’ny fanadihadiana natao azy ireo no nanondrony ny namany iray hafa, izay tsy iza ihany koa fa ny vinanton’izy mivady ihany. Tany amin’iny faritra Itaosy iny indray no noraisim-potsiny ity lehilahy ity, ny sabotsy lasa teo. Vola eo amin’ny efatra tapitrisa ariary mahery teo sisa no hita tany aminy. Rangahy iray tompon’ity trano teny Itaosy ity ihany koa no nosamborina tao anatin’izany. Heverina ho disadisa na tsy fitovian-kevitra teo amin’ireto fianakaviana ireto araka izany no niteraka ity vono olona nahatsiravina ity. Raha ny fantatra mantsy dia saika hanamboaran’ireto mpivady lehibe maty ireto fasana ilay vola. Mety tsy nanaiky izany ireto zanany ka izao niafara tamin’ny famonoana olona izao. Omaly no natolotra ny Fampanoavana izy efa-dahy voarohirohy ireto.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici