- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversMpamily taxi : Natsipy teny amin’ny By-pass ny fatiny

Mpamily taxi : Natsipy teny amin’ny By-pass ny fatiny

Hatreto dia ilay fiara no tena nataon’ireo jiolahy lasibatra ary tena azony tokoa. Saingy tsy maintsy novonoin’izy ireo ny mpamily izany mba nahafahana naka ny fiarakaretsaka. Ny asabotsy alina teo, tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany no nisy nandre kiakiaka teny amin’ny manodidina ny Villa Famonjena eny Amboanjobe. Nisy mihitsy ny nivoaka ka nahatsikaritra fiarakaretsaka izay nijanona teo amoron-dàlana. Nanomboka teo dia efa nisy ny fampandrenesana ny mpitandro ny filaminana ary notadidian’ireo olona rahateo ny laharan’ny fiara. Ny ampitso dia fantatra fa hita eny amin’ny By-pass ny lehilahy iray efa tsy nisy aina intsony. Rehefa nandeha ny fanamarinana rehetra dia fantatra fa mpamily ilay taxi izay hita teny Amboanjobe izy io, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana. Mbola ireo ihany koa no nahafantarana fa saika handeha hody io mpamily io no izy niharan’ny heloka bevava izay niafara tamin’ny fahafatesany. Tsy mbola fantatra mazava izay nahavita ny heloka fa ny hita miharihary aloha hatreto dia jiolahy mpangalatra fiara izy ireo. Matetika dia efa miasa anaty tambajotra hatrany ny olon-dratsy mivondrona ao anatin’ny halatra fiara. Misy ny mpanara-maso fotsiny ny fivezivezin’ny fiara sy ny mpamiliny mba hahafahana mametraka ny fotoana hanatontosana ny asaratsy. Misy koa ny miandraikitra ny fanovana tanteraka ny endriky ny fiara, na ny loko izany na izy mety marika hamantarana azy. Ary ny farany dia ny mpikarakara ny taratasy izay matetika dia hosoka no ampiasain’izy ireo. Mora hoazy ireo ny mivarotra ny halatra rehefa avy eo avy amin’ny alàlan’ny fampiasana ny tambajotra sosialy sy ny gazety misahana manokana ny dokam-barotra fiara. Vita izay dia manova laharana indray ny ekipa dia miverina manao ny ataony. Midika izany fa mila miditra anaty teknolojia kokoa ny mpanao fanadihadiana rehefa handrava ny tambajotra mpangalatra fiara. Efa misy hatramin’ny fivarotana “licence” aza mantsy any anatin’ireny doka ireny. Toe-javatra izay miharihary sy mampibaribary ny tsy fanarahan-dalàna sy ny halatra.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici