Notsaraina omaly ny vehivavy iray, teratany malagasy, voarohirohy tamin’ny famonoana teratany vahiny tao amin’ny nosy La réunion. Mpampianatra efa misotro ronono, 69 taona, ilay namoy ny ainy ka nitarika raharaham-pitsarana lavareny. Tao an-tranony izy no hita faty tamin’ny 23 janoary 2011, izany hoe roa taona lasa izay, ary voamarin’ny fitiliana fa novonoina. Tsy iza fa ny vadiny ihany no tena tao anatin’ny raharaha rehefa nandeha ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana. Ny porofo nentin’ireo farany tamin’izany, raha araka ny loharanom-baovao izay efa notaterin’ny gazety any an-toerana rahateo, dia noho ilay ramatoa tsy taitra firy noho ny fahafatesam-badiny. Teo ihany koa ny nahitana taozavatra vita Malagasy, toa ny lefona. Asa na fifanandrifian-javatra na koa nisy namandrika ilay ramatoa, fa hita teo amin’ny tratran’ny razana io fitaovam-piadiana izay miendrika taozavatra io, ary nihoson-drà, tamin’ny fotoana nahatongavan’ny mpitandro ny filaminana. Fofona maimbo nivoaka tao amin’ny efitrano nisy ny faty no nanaitra ny manodidina ka nahatonga azy ireo hiantso ny manam-pahefana. Nitsipaka hatramin’ny farany ny fiampangana azy ilay teratany malagasy tao anatin’izay roa taona nandehanan’ny raharaham-pitsarana izay.
D.R