Volabe mitentina 40 tapitrisa ariary, niampy fitaovana sarobidy maro isan-karazany no very tao amin’ity tokantrano iray tetsy Analamahitsy , ny faran’ny herinandro lasa teo. Tsy nisy olona tao amin’ity tokantrano ka nohararaotin’ny jiolahy norobaina. Andro antoandro no nahatongavan’ireto olon-dratsy tao tamin’io fotoana io. Tsy re tsaika, tsy nisy nahita ihany koa. Araka ny fanazavana azo dia tsy nahitana tranga fidirana an-keriny tao amin’ity tokantrano ity, tsy voapitsoka ny varavarana, tsy nisy nohetsehana ihany koa ny entana rehetra tao an-trano, ankoatr’ireo lafo vidy. Kanefa dia nanjavona ny volabe mitentina 40 tapitrisa ariary, izay efa nezahin’ny tompon-trano nafenina. Najifa ihany koa ireo karazana firavaka sarobidy tao amin’izany trano izany. Rehefa nampandrenesina tamin’ity fisehoan-javatra ity ny mpitandro filaminana, tsy naka lavitra fa avy hatrany, dia nanadihady ny mpanampy. Amin’ny tranga toa izany mantsy, tsy maintsy olona avy ao anatiny ihany no tompon’antoka tamin’izao fandrobana izao. Olona efatra araka izany no nohahiahiana ho nahavita izao zavatra izao sy voarohirohy tamin’ity raharaha ity, hoy ny mpanao fanadihadiana. Mpanampy vavy ny anankiroa, ary miaraka amin’ireo mpanofa trano tao amin’ity tanana ity. Omaly ihany ireto olona ireto dia nohenoina teny anivon’ny Fampanoavana.
m.L