- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversIsotry : Toakagasy 1 200L tratra niaraka tamin’olona telo

Isotry : Toakagasy 1 200L tratra niaraka tamin’olona telo

Toakagasy mahatratra hatrany amin’ny 1 200 litatra no saron’ny polisy miady amin’ny fihanahan’ny zava-mahadomelina teny Isotry ny talata lasa teo. Olona telo no nosamborina avy eo. Nahazo vaovao ny mpitandro filaminana fa misy toaka voarara avy any Fanandrahana Toamasina tonga eto an-drenivohitra. Tsy niandry ry zareo fa tokony ho tamin’ny 4 ora maraina, nandeha teny amin’ny toerana voatondro. Tratra teo ampidinana ireo bidon miisa 60 mahazaka 20 litatra tsirairay. Tsy afaka nihetsika teo ry zalahy fa noraisim-potsiny. Rehefa voasambotra izy ireo dia nentina natao fanadihadiana. Tamin’izany no nahafantarana fa olona iray eo amin’ny 35 taona eo no mandeha maka ireo toaka any Fanandrahana ary azy ny toaka. Rehefa izany dia izy ihany no manaparitaka azy eto andrenivohitra. Vidiany 1 000 ariary any an-toerana ny iray litatra ary amidy 1 900 avy eo rehefa tonga aty an-toerana. Ny sarany nitondrana azy no bebe ihany satria eo amin’ny 5 000 ariary ny saran’ny fitondrana ny bidon iray. Ireo roalahy hafa indray dia ny mpamily ny fiara sy mpanampy azy. Niala tany amin’ilay toerana nagalana ny tokaa izy ireo ny alatsinainy tamin’ny 5 ora hariva ary tonga ny talata teny Isotry. Ankevitry ny tsy vao izao ireto mpitatitra ireto no mitondra toaka satria voahafina tsara ambany entana hafa ireo bidon. Amin’izay, tsy ho hitan’ireo mpitandro filaminana miasa eny amin’ny lalam-pirenena manao fisavana. Omaly 24 febroary no natolotra ny fampanohavana ireto olona ireto.

Nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici