- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Olona nisandoka ho mpiasan’ny hetra nosamborin’ny polisy

Toamasina : Olona nisandoka ho mpiasan’ny hetra nosamborin’ny polisy

Misy misoloky indray ny asan’ny sampan-draharahan’ny hetra ao Toamasina, ka ny anarana sy ny sonia ary ny fitomboky ny tale sy ny inspekteran’ny hetra no misy misandoka amin’izany entin’izy ireo maka vola amin’ireo mpivarotra isolokiany.

Taratasy nalaina tamina peta-drindrina hitan’izy ireo no namboariny ka nentin’izy roa lahy nisoloky ireo mpivarotra mitady “licence” sy “categorie” amina trano fisotroana. Mbola niato mantsy ny fanomezana izany eo anivon’ny sampan-draharahan’ny hetra ao Toamasina noho ny fahamaroan’ny trano fisotroana sy fandihizana ary “karaoke”. Vitan’izy roa lahy ireo hatramin’ny fitomboky ny fanjakana momba ny sampan-draharaha ny hetra, sy ny anaran’ireo tompon’andraikitra, ary ireo taratasy tsy maintsy haranty ho mariky ny fahazoana alalana.

Tamin’izao fisolokiana nitranga tao Mangarivotra atsimo izao, dia olona te-hanokatra fivarotana zava-mpisotro roa no tratran’izy roa lahy tamin’izao taratasy hosoka izao. Nakany vola be nahatratra 1.250.000 ariary izy ireo. Ilay mpivarotra voalohany nahazoan’izy ireo vola 250.000 ariary ; ilay faharoa kosa nakan’izy ireo vola 1.000.000 ariary izay natao indroa nandoa ka 400.000 ariary noraisina voalohany ary 600.000 ariary noraisina faharoa. Ankoatra ireo dia mpivarotra maromaro koa ny efa voa. Eo am-pikarohana azy ireo ny polisy, koa nomen’izy ireo taratasy hosoka amin’ny fahavitan’ny fandoavan-ketra, izay nakan’izy ireo 60.000 ariary isaky ny mpivarotra sy isaky ny taratasin-ketrany.

Ankilan’izay dia ny fahadisoana tamin’ny anaran’ity inspektera no nahagaga ny mpiasan’ny hetra nahita ny raharaha, izay nampandre ny polisy misahana ny heloka be vava avy hatrany nahatrarana azy roa lahy ireto. Nandritra ny fisamborana azy ireo anefa dia ny iray ihany, izay mpiasan’Ambatovy teo aloha isan’ireo voatery naato tamin’ny asany, no saron’ny polisy. Ny faharoa kosa izay niasa tamina orinasa iray ary efa voaraoka noho ny fisolokiana dia mbola karohina. Efa misy didy fampisamborana navoakan’ny fitsarana mikasika azy io, izay voalaza fa ny tena atidoha amin’izao fisolokiana izao.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici