- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Mpamongady voatafika, lasa ny vola, firavaka sy finday maromaro

Toliara : Mpamongady voatafika, lasa ny vola, firavaka sy finday maromaro

Nitrangana asan-jiolahy mitam-basy indray tany Toliara ny talata hariva teo. Tokantranona mpivarotra mpamongady vary sy voamaina iray ao amin’ny fokontany Tsianaloka no voatafika ary lasibatry ny jiolahy mitam-piadiana, ka lasa tamin’izany ny vola 6 tapitrisa ariary niampy firavaka sy finday maromaro. Raha vao tafiditra tao an-trano ireo jiolahy dia nanambana basy avy hatrany. Tsy nanaiky ny handrobana ny fananany anefa ilay raim-pianakaviana ka nanohitra ireo jiolahy, ary naratra mafy voatifitra. Natahotra ny vady aman-janany avy eo ka nanome izay notadiavin’ireto olon-dratsy.
Ora iray sy sasany taorian’ny fanafihana vao tonga ny mpitandro filaminana, na dia efa nisy nampandre mialoha nandritra ny poa-basy nanakoako teo an-tanàna, araka ny fitantaran’ilay ramatoa voaroba. Nandositra nakany Besako ireo jiolahy mitam-basy ary tsy nisy olona teo an-tanàna sahy nanaraka azy ireo. Mbola karohina ireo olon-dratsy hatramin’izao, raha ny vaovao voaray farany.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici