- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversAmbalavao : Zandary roa nanaraka fiara hanatitra vola naratran’ny lozam-pifamoivoizana

Ambalavao : Zandary roa nanaraka fiara hanatitra vola naratran’ny lozam-pifamoivoizana

Ny alarobia faha-24 febroary tokony ho tamin’ny 8 ora maraina, nisy lozam-pifamoivoizana niseho teny amin’ny toerana antsoina hoe Firariantsoa, tany amin’ny disitirikan’Ambalavoa Fianarantsoa. Vokany, zandary roa nanao “escorte” fiaran’ny banky foibe no naratra. Nitaingina tao anaty fiara 4X4 niala avy ao Fianarantsoa ho any Ihosy izy ireo izao niharan-doza izao. Zandary telo  avy ao amin’ny faritra Ihorombe no nanao ny iraka. Rehefa teo amin’ilay torana voalaza anefa, nifanena tamina kamioa iray ny fiarany nentin’izy ireo ary tsy maintsy nanitsaka ny “frein” tampoka. Avy hatrany dia nihodina teo afovoan’ny lalana ilay fiara ary tamin’izany no nampaharatra ireo zandary roa. Raha vao nahafantatra ny loza ny tompon’andraikitra dia nisy ny fiaran’ny BOA Ambalavao nandeha teny an-toerana naka ny vola sy nitondra ireo naratra tany amin’ny hopitaly Fianarantsoa. Voalazan’ny vaovao fa tsy nijanona akory ilay fiarabe nahatonga ny loza fa nitsoaka. Tsy misy mahalala izay momba azy aloha hatramin’izao. Efa misokatra ny fanadihadiana ary ny zandary avy ao amin’ny borigady Ambalavao no manao ny famotorana rehetra.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici