- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : Mpizara fanafody ao Anjanamasina, notsatohana antsy sy nodorana tamin’ny lasantsy

Ambohidratrimo : Mpizara fanafody ao Anjanamasina, notsatohana antsy sy nodorana tamin’ny lasantsy

Habibiana indray no nitranga teny amin’iny faritra Ambohidratrimo iny, ny alarobia lasa teo. Lehilahy iray, mpizara fanofody ao amin’ny hôpitaly Anjanamasina, no nisy namono tamin’ny fomba mahatsiravina teo Soamananety, Ambohidratrimo, ny harivan’io andro io. Notsatotsatohan’ny antsy ny vatany, ny tendany ary ny fony. Nodorana tamin’ny lasantsy avy eo ny vatany iray manontolo. Ny olona sendra nandeha teny an-toerana no nahatsikaritra zavatra hafahafa, tanaty kirihitra, teo ambody hazo. Rehefa nojerena akaiky dia faty olona, efa maimborainkona. Nantsoina avy hatrany ireo tompon’andraikitra rehetra teny an-toerana, ary vetivety dia nitangorona ny olona. Fantatry ny rehetra avy hatrany tamin’ny endriny ity tovolahy 24 taona, mpizara fanafody eny amin’ny hôpitalin’ireo marary sainy eny Anjanamasina. Ny fizahana natao no nahitana fa nisy diana ratra teo amin’ny kibony, teo amin’ny tratrany ary teo amin’ny tendany. Diana zava-maranitra toy ny antsy natsatoka taminy sy inoana fa nanalàna ny ainy. Tsy vitan’izay anefa fa angamba noezahin’ireo nahavanon-doza nosimbaina ny endriny mba tsy hisy hamantarana azy, koa dia nodorany tamin’ny lasantsy ny vatany iray manontolo. Tsy may tanteraka anefa izany fa ny sasantsany ihany. Angamba hoy ny fanazavàna noho ny hakelin’ilay solika sy ny fahamaikan’ireo olon-dratsy. Ny tapany ambany no tena voadoro tamin’izay. Somary nolalovan’ny afo fotsiny kosa ny endriny ka nahafahana namantatra azy avy hatrany. Tazana tsy lavitra ny razana teo moa ny tavoahangy plastika kely nisy ilay solika, raha ny vaovao azo teo anivon’ny zandary hatrany. Araka ny fantatra dia avy niandry raharaha ny alin’ny talata teny an-toerana ity mpizara fanafody ity, ary nirava ny maraina, raha ny tokony ho izy. Noheverina fa teny an-dalana hody araka izany izy no nifanena tamin’ireo mpamono azy. Eny Talatamaty ity lehilahy ity no mody raha ny vaovao hatrany. Hatreto dia mipetraka ny fanontaniana, inona no anton’ izao famonoana feno habibiana izao ? Tsy nisy vola tany aminy mantsy, hoy ireo mpitandro filaminana. Tsy nisy volabe nentiny koa avy any am-piasana. Heverina araka izany fa mety ho lonilonim-piaraha-monina na valifaty no anton’izay famonoana olona izao. Efa mandeha ny fanadihadiana ataon’ireo zandary eny an-toerana amin’izao fotoana izao, ahafantarana izay tena marina mahakasika ity raharaha ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici