- Publicité SW45 -
lundi, mars 17, 2025
AccueilFaits-DiversMaroantsetra : Vaky ny “coffre” tao amin’ny “domaine”, vola sy taratasy maro...

Maroantsetra : Vaky ny “coffre” tao amin’ny “domaine”, vola sy taratasy maro tsy hita

Tranga tsy fahita tao Maroantsetra  no  niseho tao amin’ny distrikan’i Maroantsetra, tamin’iny herinandro nivalona iny. Nisy nandroba mantsy ny biraon’ny sampan-draharahan’ ny fananan-tany tany an-toerana, vaky tamin’izany ny “coffre” fametrahana ny vola, very ihany koa ireo antontan-taratasin-tany “sasany”.  Raha ny angom-baovao tamin’ny mpitandro ny filaminana tao Maroantsetra, dia tsy resaka famakiana biraom-panjakana loatra no nitranga tamin’ity raharaha ity, satria tsy nahitana izany ny varavarana fa nosokafana tamin’ny fanalahidy “ara-dalana”. Ilay “coffre” koa tsy nisy faritra novakina fa nosokafana “ara-dalana” ihany koa izay nahavery ny vola rehetra tao anatiny; izay tsy fantatra mazava ny tena fitambarany. Ny tena nanaitra tamin’ity raharaha ity kosa, dia ny fahaverezan’ireo antontan-taratasin- tany sasany tao amin’izy ireo ; izay toa efa nofidina manokana mihitsy raha ny zava-misy hoy ny angom-baovao.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici