- Publicité SW45 -
mercredi, mars 19, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodivona : Lehilahy ho any Toamasina hita faty tao anaty tatatra

Ambodivona : Lehilahy ho any Toamasina hita faty tao anaty tatatra

Omaly maraina be no nahitan’ny olona fatin-dehilahy tao anaty tatatra teny Ambodivona, eny amin’ny fiantsonan’ny taxi-brousse. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa ny alatsinainy hariva ity olona ity no nikasa handeha hody any Toamasina. Efa nahazo tapakila izy ary efa raikitra ny dia. Tsy dia nazava loatra anefa nanomboka teo ny fandehan-javatra. Efa nahazo toerana tao anaty fiara izy ary nipetraka tao no nivoaka tany ivelany. Mifamahofaho hatrany ny vaovao voaray mikasika izany. Nanomboka teo, tsy nisy nahita azy intsony. Ny fiara anefa tsy maintsy mandeha. Akory ny hagagan’ny olona nahita ny razana tao anaty tatatra ny maraina. Ny vaovoa hatrany no nahafantarana fa tsy hita tany aminy ny « porte feuille » sy ny zavatra hafa tao am-paosiny. Eo amin’ny 36 taoan eo ity olona namoy ny ainy ity. Rehefa avy nalaina tao anaty rano maloto ny razana dia nentina teny amin’ny tranom-paty Ampefiloha nojerena. Voalaza fa tsy nisy ratra hita nivantana tamin’ny tenany. Fantatra ny havany ka efa tonga teny ireo naka ny vatana mangatsiakan’ity lehilahy ity, omaly ihany. Taorian’ny fahitana ny fatin’ity lehilahy ity, maro ny resaka re teny an-toerena izay tsy voamarina moa.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser