- Publicité SW45 -
mercredi, mars 19, 2025

Tapatapany

Alasora – Vaky fasana, razana enina indray nanjavona

Nisehoana vaky fasana sy halatra taolam-paty indray teny amin’iny faritra Alasora iny, ny alatsinainy lasa teo. Vokany, razana enina be izao no indray nozimbazimbain’ireo olon-dratsy. Lasa avokoa moa ny taolan-davan’ireo razana ireo. Mpiandry omby sendra nandalo teny an-toerana no nahita ny fasana nivoha kanefa tsy nisy mpandevina. Nampilazana avy hatrany ireo tompom-pasana sy ny mpitandro filaminana ka tonga teny an-toerana. Efa mandeha ny famotorana ankehitriny.

Anosizato – Fiara nifandona, saika raikitra ny rombo

Fantatra amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana lavareny iny faritra Anosizato sy ny manodidina iny. Tao anatin’izany mihitsy no nifandona ny fiara roa avy any amin’ny lalan’i Digue. Tsy dia mafy ny fifandonana ary tsy nisy naratra. Saingy nisiana fahasimbana fotsiny ireo fiara. Samy tsy nisy nahatsindry fo ireo mpamily ka saika raikitra ny rombo ary efa nitangorona ny olona, omaly maraina. Nalaky nilamina ihany anefa izany nony avy eo.

M.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser