Vokatry ny fivadihan’ny lakana nitondra mpandeha, teo amin’ny fihaonan’ny ranomasina sy ny reniranon’ny Belo, vinanin’i Soarano Delita, any amin’ny distrikan’i Belo Tsiribihina, ny asabotsy hariva teo, dia tovolahy iray 16 taona no lasan’ny rano ka mbola tsy hita popoka hatramin’izao, na dia efa nokarohina aza. Araka ny vaovao voaray dia nanonja be ny reniranon’i Belo tamin’io andro io ka rendrika ilay lakana niampita teo.
Eric Manitrisa