Ny alahady tokony ho tany amin’ny 2 ora tany no nanomboka tsy hita ny ankizy lahy roa, 12 toana sy 15 taona , mipetraka eny Ankatso II sy Ambohipo. Ilay volaohany antsoina hoe Tongazara Richino Jessé, ary ilay faharoa Tombo Luciano. Tonga nanao filazana ombay mitady taty amin’ny gazety ny havan’izy ireo. Rehefa avy nampandre ny mpitandro filaminana ry zareo dia nanapa-kevitra fa havoaka an-gazety ny sarin’izy roalahy. Ny filazan’ireo havany ireo hatrany no nahafantarana fa ny alahady tamin’ny 2 ora dia niteny i Richina fa hivoaka. Niala teny Ankatso II izy ary nandeha niantso an’i Luciano mipetraka eny Andohaniato Ambohipo. Tamin’ny 2 ora sy sasany tamin’izay. Nisioka tany ivelany tany fotsiny i Richino ary nivoaka ilay namany. Tamin’izay fotoana izay no nahitana azy ireo farany. Araka ny filazan’ny reniny, tsy fantatra ny akanjo teny amin’i Richino. Ilay namany Luciano kosa nanao Tshirt ambony manga sy short gris ambany.
Koa miangavy ireo izay afaka manome vaovao na mahita azy roalahy ireo hampilaza ny manampahefana akaiky azy indrindra.
R.S.