Nisy ny ezaka nataon’ny teo anivon’ny polisim-pirenena eto Antsirabe, noho ny fahamaroan’ny taratasy fitarainana mahakasika ny vaky trano izay nisesilany teto Antsirabe hatramin’ny tapatapaky ny volana janoary iny. Vokany nahatratra 11 mianadahy ireo voalaza fa jiolahy ary rain-dahiny mihitsy amin’ity resaka vaky trano ity. Ankoatra izay maro koa ny fitarainana voaray amin’ny fahaverezana entana lafo vidy. Tsy teto Antsirabe antampontanana ihany no nanaovana io hetsika manokana io fa indrindra tany amin’ireo tanana somary mihataka izay naha maro ny fitarainana voaray, hoy ny polisy. Vehivahy ny telo amin’ireo voasambotra miampy ny namany dimy lahy izay efa malaza ratsy mihitsy amin’ity asan-jiolahy eto Antsirabe ity. Ny sasany amin’izy ireo dia vao tamin’ny volana janoary teo no nivoaka ny fonja fa nahazo ilay fanenan-tsazy, nefa dia izao mamerin-keloka izao indray. Fa ankoatra izay,mbola tratra tany amin’ny olona telo hafa koa ny entana lafo vidy maro. Fantatra fa izy ireo no mpandray sy mpivarotra ny entana halatra. Isan’ny porofo nanamarina fa tena olon-dratsy izy ireto hoy ny polisy ny fahatratrarana fitaovana maro toy ny fanapitsohana varavarana, sy fanapahana hidim-by sns…
Mbola tao anatin’ity hetsiky ny polisy hatrany, moto scooteur miisa telo miampy moto cross iray ary bisikileta kely iray koa no saron’ny polisy hatrany teto Antsirabe. Efa nisy tamin’reo tompona môtô very no naka ny azy. Mitohy kosa ny fikarohana ireo jiolahy sy ny tontakely hatrany, amin’ny elakelantrano ho antoky ny fandriam-pahalemana, hoy ny polisy.
Andry N.