Nahazo vahana indray tato ho ato ny fisolokiana amin’ny finday. Amin’izao fotoana izao dia miparitaka amina tambajotra iray ny hafatra fohy na sms, milaza ny fahazoana loka lehibe avy amina orinasa lehibe iray. Toy izao matetika no misoratra amin’izany hafatra izany : “Faly miarahaba anao izahay ato @NY orinasal S…. Ankatrok’izao fankalaza festival FIN DE LA COUPE izao dia, nanao fisarihana fiara iray izahay, ato amin’ny orinasal marika (FORD KUGA WWT) ka, io nimeraonao io no tsara vintana nahazo ilay loka. Raha mila fanazavana fanampiny ianao dia antsoy ity nimerao ity. Misaotra tompoko”. Iza tokoa no tsy ho taitra raha maheno fa nahazo fiara iray maimaim-poana izany ? Araka ny fanazavana azo avy amin’ny mpitandro filaminana, dia omen’ireo mpisoloky toromarika ilay olona, handefa vola hanamboarana ny taratasy rehetra lazaina fa hamindrana ilay fiara amin’ny anaran’ilay olona raha ohatra ka miantso ilay laharana. Omen’ireo olon-dratsy toky tsara fa miandry azy ao amin’ilay orinasa ny loka lehibeny, rehefa tonga any amin’ilay toerana izy. Toerana izay mazàna any amin’ny faritra. “Efa nisy ny tratra ary nametraka fitarainana teo aminay, hoy ny fanazavàn’ireo mpitandro filaminana. Nandefa vola misimisy izy ary nahazo fampanantenana. Tamin’izay fotoana izay aza nasainy nianatra fiara mihitsy ny zanany fa hoe hahazo fiara vaovao ary ity farany no hiaraka aminy haka ilay izy tany amin’ny faritra. Maty tanteraka anefa ilay finday nony azo ilay vola”. Tsy hita arahana akory ny tompon’ilay laharana. Manentana ny rehetra mba ho mailo hatrany araka izany ireo mpitandro filaminana. “Tokony rehefa mahatsapa fa tsy nandray anjara tamina lalao iray dia tsy hanaiky ho voarebireby”, hoy izy ireo.
m.L