- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversMarais Masay : Misy manakorotan-tsaina amin’ny sms ny sinoa

Marais Masay : Misy manakorotan-tsaina amin’ny sms ny sinoa

Voatery nangalàna mpandika teny mihitsy ny hafatra fohy nalefa tamin’ny finday, izay nalefa teny amin’ny sinoa iray ka nentiny teny anivon’ny pôlisy. Ny tao anatin’io, raha nadika tsotsotra, dia hafatra mampitandrina fa tsy milamina mihitsy eto Dago ary porofon’izany dia nisy sinoa maty ka nariana teny amin’ny farihin’i Masay, afak’omaly alina. Nanaitra ny mpitandro ny filaminana ny fandrenesana an’izany. Nisy avy hatrany ny fidinana teny an-toerana ary nitadiavana ny razana, saingy tsy nisy na inona na inona hita. Torak’izany ihany koa, tsy nisy nahafantatra ny fisian’izany ny mponina teny an-toerana. Voatery nanokafana fanadihadiana mihitsy ny fisian’ity hafatra fohy (sms) izay nifanaovan’ny samy sinoa ity, satria sao mba tena nisy tokoa ka nafenina ny razana nony avy eo.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici