Mampikaikaika ny maro mihitsy ny fanendahana eny amin’iny faritra Anjanahary sy ny manodidina iny. Tsy menatra ny mibata olona mihitsy mantsy ireo olon-dratsy, ary mitondra izany ao amin’ny fasam-bahiny, rehefa vao maraina na andro mandroso ho alina iny. Mazàna hoy ny fanazavana azo dia eo amin’ny telolahy na efa-dahy eo foana ry zalahy no miaraka, ka ny roa amin’ireo no avy hatrany dia mibata ilay olona, ireo hafa kosa mandrahona amin’ny zava-maranitra na fitaovam-piadinaa hafa, mba tsy hiantsoan’ilay olona vonjy. Teo anatrehan’ny fitarainana, dia misafo andro aman’alina ireo toerana mafampana eny amin’iny faritra iny ireo pôlisy avy amin’ny boriborintany fahatelo. Tamin’izany indrindra no nahasamborana an-dry Marco, Tojo, ary Rija, mpanendaka isan’ny ikoizana eny an-toerana. Ny iray tamin’izy telo lahy ireto aza, dia nambaran’ireo pôlisy hatrany fa efa mpamerin-keloka. Efa voasambotra mantsy izy ary naiditra am-ponja. Iray volana monja anefa no nitazomana azy tany dia tafavoaka indray, noho ny antony tsy fantatra- ary dia izao niverina amin’ny asany taloha izao indray. Niara-niaiky izy telolahy ireto, fa manao io asa ratsy io. Marihina fa teo am-panendahana olona mihitsy izy ireo no voasambotra. Mbola tratra tany amin’izy ireo ny finday roa sy firavaka ary vola. Omaly ihany dia efa nohenoina teny anivon’ny Fampanoavana izy telo lahy ireto. Tsy mitsahatra ny manentana hatrany ireo mpitandro filaminana ny amin’ity fampirantirantiana finday avo lenta eny an-dàlana ity. Mazàna mantsy hoy izy ireo dia saika ireo, ankizy mpianatra sy tanora no lasibatry ny fanendahana.
m.L