Omaly hariva tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany, nisy taxi 4L iray nitondra olona roa naratra niharan-doza hoentina any amin’ny hopitaly Ampefiloha, nivarina tany an-tanimbary amin’ny ankavanan-dalana. Teny amin’ny faritra Ankadievo no niseho ny loza, eo amin’ny sampanana ho any Alasora. Araka ny filazan’ireo izay nahita ny fandehan-javatra, nandeha mafy loatra ilay fiara, satria hanavotra aina. Rehefa ho avy anefa ny loza dia toa tsy azo ihodivirana. Nivarina tany an-tanimbary ilay fiara. Teo no ho eo ihany dia fantatra fa maty ilay naratra iray. Nisy maromaro kosa naratra. Ity fiara nitondra ity dia voalaza fa miasa alina. Niaraka tamin’io hariva io ny mpamily sy ny zanany iray. Maro ny naratra, hoy hatrany ny vaovao, ka anisan’izany ny mpamily sy ilay zanany. Novonjena nentina haingana tany amin’ny hopitaly izy ireo. Ny vaovao hatrany no ilazana fa namoy ny ainy koa ny iray tamin’ireo naratra. Efa ao amin’ny tranom-paty amin’izao fotoana izao ny razana roa
Tsy fantatra izay zavatra niseho marina omaly hariva fa ilay fiara efa teny amin’ny honahona no nanaitra ny maro mampiasa iny lalana iny. Misokatra amin’izao fotoana izao ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana. Ny zandary eny Alasora no misahana izany.
Nangonin’i r.s.