- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversTsimbazaza : Jiolahy namaky tranona mpitandro filaminana, voasambotry ny pôlisy

Tsimbazaza : Jiolahy namaky tranona mpitandro filaminana, voasambotry ny pôlisy

Jiolahy efa mpamerin-keloka iray no nataon’ny pôlisy hazalambo hatreny an-tanimbary, ny alakamisy lasa teo. Araka ny fantatra dia efa avy nigadra teny Antanimora ity lehilahy ity noho ny famakiana tranona mpitandro filaminana. Efa nahavita ny saziny izy tamin’ity nahatratrarana azy ity, ary dia niverina tamin’ny fomba fanaony indray. Teo am-pamakiana trano mihitsy indray mantsy izy no tra-tehaky ny tompon-trano. Efa nifanenjahan’ny fokonolona ny lehilahy ary nanampy azy ireo taty aoriana ireo pôlisy. Tsy lasa lavitra izy, araka izany, ary dia izao voasambotra izao indray. Raha ny fampitam-baovao azo dia efa nahavita ny asa ratsiny tao amin’ilay trano novakiany, teny Tsimbazaza, ranamana no tsikaritr’ireo tompon-trano. Zavatra nipoaka tany amin’ny rihana faharoa no nanaitra ireto farany, ka rehefa nojerena dia ilay mpangalatra an-dalàna hitsoaka. Mbola tratra tany aminy moa ny sakaosy nisy ireo zavatra avy nangalariny, raha ny fampitam-baovao azo hatrany, izay nahitana solosaina entin-tanana iray, finday isan-karazany, ary firavaka volamena. Omaly ihany no nohenoina teny anivon’ny Fampanoavana ity jiolahy rain-dahiny amin’ny famakiana trano ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici