Ny alin’ny sabotsy teo dia fantatra fa tokantrano roa no nisy nanafika teny amin’ny faritr’i Faravohitra. Efa tena alina tamin’izany. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa andian-jiolahy miisa hatrany amin’ny valo any, mitondra fitaovam-piadiana, no nanao izany. Tafiditra tao amin’ilay trano voalohany izy ireo ary dia nampihorohoroiny ny rehetra. Nisy mihitsy aza ireo mpifanolo-bodirindrina nilaza fa nahare feom-basy. Rehefa izany dia nandroba ireto bandy ireo. Lasany ny vola tao an-trano, hoy hatrany ny vaovao voaray. Tsy vitan’izany, fa rehefa nahzo izy ireo dia lasa nifindra tany amin’ny trano iray hafa. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa toa sarotra tamin’izy ireo ny niditra io toerana io. Ireo tompony koa vao nahare ny zavatra nisy dia afaka niantso vonjy. Raha nahare izany ireo mpangalatra ireto dia tsy nijanona fa lasa nandeha, hoy hatrany ny vaovao avy eny an-toerana. Lasa faritra mena koa amin’izao fotoana izao ny eny Faravohitra eny, hoy ny mponina. Tsy vao tamin’ny sabotsy ihany mantsy no nisy zavatra hafahafa fa tamin’iny herinandro lasa iny dia efa nisy ny halatra niseho.
r.s.