- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversFahamaizan’ny fitsaran’i Maroantsetra : Tsy hitory ireo nahavanon-doza ny Fitsarana…

Fahamaizan’ny fitsaran’i Maroantsetra : Tsy hitory ireo nahavanon-doza ny Fitsarana…

Tsy hitory ireo andian’olona nahavanon-doza nandoro ny biraon’ny fitsarana misahana ny hekola tsotra (bureau correctionnel) ny fitsaranan’i Maroantsetra. Niseho ity zavatra ity nandritra ny fitroharan’ny vahoaka tao Soanierana tamin’ny famonjana ny olon’izy ireo. Tsy tokony hisy fanahiana ireo mpitory manan-draharaha amin’izao fahamaizan’ny birao misy ny antontan-taratasin’ady izao, satria eo an-dalam-panarenana sy an-dalam-panangonana ireo antontan-taratasy ireo ny mpitsara ankehitriny, ary tsy maintsy hotsaraina tsy ho ela ny raharaha rehetra efa vita fanadiadiana, mba hizaka ny vokatry ny ratsy nataon’ny ny mpanao ratsy hoy ny mpitsara.

Raha hiverenana ny raharaha dia trangana halatr’omby ny volana novambra 2014 no niteraka ny raharaha. Raha ny antontan-taratasy teo am-pelan-tananan’ny mpitsara nisahana ny raharaha izay vaovao ao Maroantsetra, dia meloka ireo fokonolona nanao ny fitsaram-bahoaka, na dahalo nikohizana aza ingahy ireo novonoina. Saingy tsy nahafaly ny vahoakan’i Soanierana ny sazy fampidirana am-ponja nahazo ny mpiara-monina aminy, ka izao niteraka sakoroka nitera-doza tao Maroantsetra izao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici