Namoizana ain’olona ny ora-nikija, tany Ilakaka, nanomboka ny asabotsy teo, nijojo nandritra ny telo andro. Vokatry ny orambe, trano an-jatony no nirodana sy lasan’ny rano, tafakatra an-jatony mahery ireo traboina tsy manan-kialofana voatery mipetraka amin’ny havany sy olom-patatra, ary akoho amam-borona an’arivony maty. Olona dimy nentin’ny rano. Ny tamin’ny alahady teo, araka ny vaovao voaray hatrany, dia ankizy roa maty tsy tra-drano nihotsahan’ny trano.
Eric Manitrisa