Nahery vaika na dia vetivety ihany aza ny orambe nisy teto amin’ny renivohitra, omaly hariva tokony ho tany amin’ny 5 ora tany ho any. Vokany, nisy ny tafo lasan’ny rivotra tety amin’ny faritra Ankorondrano sy ny manodidina. Maro ny olona nahita ny tafo nanidina ary lasa tany anaty tatatra. Niezaka naka izany tafo izany ny tompony avy eo tao anaty rano maloto. Tsy vitan’izany, fa be dia be ireny « panneaux publicitaires » ireny no niongotra na folaka ary niala tamin’ny toerana , teny Ankazomanga, Ankorondrano sy ny toerana hafa. Saika nanerana ny renivohitra ity rivotra mahery ity. Nisy koa araka izany ny hazo nianjera tetsy Ankadifotsy sy Anosy. Hatramin’izao aloha, voalazan’ny vaovao fa tsy nisy ny aina nafoy fa ny fahasimbana no marobe. Soa ihany, hoy ny rehetra, fa ty naharitra ela loatra iny orana iny. Amin’izao fotoana anoratana izao, tsy mbola fantatra ny tena fahasimbana rehetra teto an-drenivohitra fa santionany ihany ireto taterina ireto. Fa na dia efa nijanona aza ny orana, nitohana tsy nisy ohatra an’izany ny fifamoivoizana nanerana ny faritra maro.
r.s.