- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAntalaha : Ramatoa namono zaza zana-drahavaviny tamin’ny « bois rond », migadra...

Antalaha : Ramatoa namono zaza zana-drahavaviny tamin’ny « bois rond », migadra 3 taona

TAPA-TONGOTRANiakatra fitsarana ny alatsinainy teo tany Antalaha ny raharaha famonoana zazavavikely enina taona tamin’ny « bois rond ». Nilatsaka ny sazy ka ramatoa iray no migadra telo taona an-tranomaizina miampy fandoavana onitra 2 tapitrisa ariary. Raha araka ny vaovao voaray dia nodarohan’ity renim-pianakaviana ity tamin’ny hazo lehibe « bois rond » ny zana-drahavaviny, ka naratra mafy ary tapaka mihitsy ny tongony havia, izay mbola manaraka fitsaboana hatramin’izao. Tezitra tamin’ny habibiana vitan’ity nenitoany ny ray amandren’ilay zaza ka nitory azy. Niezaka nanao raharaham-pihavanana ihany ilay ramatoa namono nefa tsy nilefitra ny renin’ilay zaza.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici