- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversAnosibe : « Receveur »-na taxibe, naratra mafy novonoin’ny mpanendaka

Anosibe : « Receveur »-na taxibe, naratra mafy novonoin’ny mpanendaka

Mpanampin’ny mpamily taxibe iray mizotra eny amin’iny faritra Anosibe iny no naratra mafy ary torana mihitsy rehefa avy novonoina telolahy, nambaran’ireo nanatri-maso fa mpanendaka, ny talata lasa teo. Araka ny fantatra dia niditra tao amin’ity taxibe ity ireo telolahy, teny an-toerana. Tsy nisy fiantsonana iray akory anefa no nidiran’izy ireo dia nilaza izy ireo fa hidina ny fiara. Hafahafa avy hatrany dia nandraisan’ireo mpandeha an’izany fihetsika izany. Raha ny nambaran’ireo teny an-toerana hatrany dia angamba mety efa fantatr’ilay mpanampin’ny mpamilin’ity taxibe ity fa tena mpanendaka marina izy ireo, ka nosakanan’ity farany tsy hidina. Velona teo disadisa teo amin’ny roa tonta ka avy hatrany dia niainga ny daroka sy ny tariny. Tsy namelan’izy ireo, raha ny vaovao hatrany raha tsy naratra mafy mihitsy. Ny roalahy tamin’izy ireo ihany no nidaroka an’ity “receveur” ity ny iray kosa, niambina sy nandrahona ireo mpandeha tao anaty taxibe tsy hiditra amin’ilay ady. Nanao izay danin’ny kibony tamin’ny daroka isan-karazany teo ireo mpamono. Efa lasa nitsoaka lavitra kosa izy ireo vao nisy mpitandro filaminana tonga avy any hoy ireo teny an-toerana. Nentina novonjena haingana ity mpanampin’ny mpamily naratra voadaroky ny mpanendaka ity. Mampiteny ny moana ity firongatry ny tsy fandriam-pahalemana ity eto an-drenivohitra. Manao izay danin’ny kibony tanteraka mantsy ireo olon-dratsy, indrindra fa ireo mpanendaka izay vao mainka toa mitombo andro aman’alina, eny fa na dia efa maromaro ihany aza izay voasambotry ny mpitandro filaminana etsy sy eroa izay. Mazàna tokoa dia tsy maintsy misy mahafantatra foana ireny olon-dratsy ireny. Na izany ireo mpivarotra amoron-dàlana na ireo mpanampin’ny mpamily sy ireo mpamilina taxibe. Saingy toa tsy afa-manoatra izy ireny hampitandrina ireo olona eo anatrehan’ny fandrahonana mianjady amin’izy ireo. Miafara amin’ny famonoana toa izao foana mantsy no mahazo, hoy ny nambaran’ny sasany tamin’izy ireny.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici