- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Polisy hody nisy nanendaka vaky loha, jiolahy iray maty voatifitra

Toamasina : Polisy hody nisy nanendaka vaky loha, jiolahy iray maty voatifitra

Ny alahady teo, tao Anjoma manakaiky ny lalam-by mihazo ny depôt voalohany, dia polisy iray hody nanao fanamiana tsotra no nendahan’ireto jiolahy ka vaky loha izay voatery nozairina .

Taorian’izay dia nisy fanaraha-maso manokana nataon’ny mpitandro ny filaminana manodidina an’ Anjoma, satria tamin’io alahady alina io dia tsy latsaky ny olona dimy no voahendaka teo amin’ity lalana Anjoma ity, ka raha misy ny fanenjehan’ireo andian-jiolahy mpanendaka dia mitsoaka anaty lalam-pasika maizina; izay tsy sahin’ny olona ny manara-dia azy ireo. Tao anatin’io fanaraha-maso nataon’ny mpitandro ny filaminana io, dia mbola nanao ny asa fanendahany hatrany ireto jiolahy mandeha andiany dimy ireto, ka teo am-panendahana olona hamonjy fodiana tratra alina izy ireo no nifanehitra tamin’ny polisy manao fisafoana. Raikitra ny tifi-danitra nanairana azy ireo sy hampilefitra azy ireo, nefa nentin’ny rongony nofohany ny iray tamin’ireto jiolahy ireto raha tafaporitsaka ny efatra, dia tsy nandositra fa mbola nandrarangana ny maha-jiolahy azy. Voatery nitifitra azy ny polisy ka maty voan’ny bala teo amin’ny tratrany ity jiolahy ity. Fantatry ny olona manodidina tsara amin’ny fanendahana ireo tratra alina mody sy ireo mandeha vao maraina miasa, ka isan’ireny ireo mpiasan’ny toeram-mpamonoan’omby ao Toamasina izay maro no efa voa sy naratran’ireto andian-jiolahy ireto.

Eo am-pikarohana ireo jiolahy efatra naman’ity maty voatifitra ity ny polisy izao, ka misy hatrany ny fanaraha-maso ny manodidina an’Anjoma sy ny ao Depot misy ireto andian’olon-dratsy ireto.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici