Ny zoma, amin’ny dimy ora hariva, no mampiantso fivoriana ny fokontany Faravohitra. Ny anton’izany dia manoloana ny tsy fandriampahalemana izay tena nisesy teny amin’iny faritra iny ary tsy voafehy intsony. Ireo vatan-dehilahy 18 taona noho miakatra no tena asaina amin’izany, raha araka ny antso nataon’ny solontenam-pokontany izay nitety ireo kartie maro teny an-toerana omaly, miaraka amin’ny “mégaphone”. Vokatry ny tsy fandriampahalemana, raha hiverenana kely, dia efa nisy mihitsy ny olona izay nanapa-kevitra ny niala teny an-toerana ka nifindra lasy. Isan’izany ny teratany vahiny izay nibata entana avy hatrany rehefa notafihan’ny jiolahy ny teo amin’ny manodidina azy ka hitan’ny masony. Raha araka ny fantatra dia isan’ny tanjon’ity fivoriana amin’ny zoma ity ny fametrahana ny andrimasom-pokonolona mba ho fiarovana ny tanàna.
D.R