- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAsan-jiolahy : Maty voatifitra teny amin’ny By Pass i Bainidodo

Asan-jiolahy : Maty voatifitra teny amin’ny By Pass i Bainidodo

Ireto amin’ny sary ireto ireo jiolahy nosamborin’ny mpitandro filaminana
Ireto amin’ny sary ireto ireo jiolahy nosamborin’ny mpitandro filaminana.

Na dia voasambotra aza, nikasa mbola hitsoaka ilay jiolahy raindahiny. Tamin’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nahalalana fa maty voatifitry ny zandary teny amin’ny By Pass, ny alin’ny talata, ny jiolahy malaza ratsy iray antsoina hoe Bainidodo. Tamin’ny fotoana nitondrana azy hanondro ny namany no voalazan’ny vaovao fa mbola saika hitsoaka handositra indray izy. Tsy lavitra ny toerana nahafaty zandary iray notifirin’ny jiolahy no lavo izy. Ankoatra izany, rava ihany koa ny fikambanan-jiolahy nisy an’io olona io. Anisan’ny nampitondra faisana ny mponina teto amin’ny renivohitra sy ny manodidina. Ity fikambanana ity no nantsoina hoe “Bande des 12”. Re omaly tamin’ny vaovao voaray fa efa nahatratra hatrany amin’ny 40 ny fanafihana vitan’ity andian-jiolahy ity. Nahazoanay volabe tokoa izany.  Voalaza fa efa nihoatra ny efatra ny olona matin-dry zalahy. Anisan’izany ilay dokotera miaramila nitondra ny gradina komandà. Maty voatifitra teny Nanisana. Ilay zandary teny amin’ny By Pass taorian’ny fanafihana sinoa teny Alasora, sy olon-tsotra hafa. Hatramin’izao dia olona 12 no efa voasambotra ka vehivavy ny roa. Ireto farany ireto dia voalaza fa mpanafina ny entana halatra. Ireo sisa kosa dia mpiara-mandroba sy mangalatra tamin’ity jiolahy voatifitra ity. Tao anatin’ny herinandro no nisamborana tsikelikely azy ireo.

Omaly no natolotra ny mpitsara mpanao famotorana izy rehetra ireo.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser