- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAlaotra Mangoro : Tetezana 10 amin’ny rn 44 no hamboarina, faly ny...

Alaotra Mangoro : Tetezana 10 amin’ny rn 44 no hamboarina, faly ny mpitatitra

Nahafaly ny vahoaka mpampiasa ny lalana RN 44 mampitohy an’Ambatondrazaka sy Moramanga ny nahalala fa efa manomboka ny fanamboarana ireo tetezana 10 izay ratsy amin’io lalana io, araka ny fanazavana dia tetezana 3 no lehibe fa ny 7 kosa madinika, hatao hahafahan’ny fiara roa mifanena ireo tetezana rehetra ireo, izany hoe halehibeazana ny velarany ary atao tetezam-bato avokoa. Ny fitondram-panjakana no mikarakara azy ity tamin’ny alalan’ny fangatahan’ireo mpitondra aty an-toerana sy ny loholon’ny Madagasikara Atoa Day Rabenony sy ny lehiben’ny faritra Dr Raminoarison Honoré. Nambaran’iretsy farany fa miezaka ny fitondrana foibe amin’izao fotoana izao mijery ny hanampiana ny vahoaka indrindra ny eo amin’ny fitaterana. Anisan’ny nampijaly ny rehetra hatramin’izay ny fampiasana ny lalana 44 sy ny fahapotehen’ireo tetezan-kazo ireo ka izao nandraisana fepetra izao, efa vita rahateo ny lalana vonjy maika amin’ireo tetezana tena simba, toy ny tao Bekatsaka sy ny manodidina. Nisaotra ny mpitondra ny vahoaka, ary nanambara fa tokony hojerena ihany koa ny lalana aorian’ny fahavitan’ny tetezana, izay ny orinasa SOGEA no nahazo ny tolotr’asa, ary 8 volana no faharetan’ny asa.

Janus R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici