- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversVohemar : Lehilahy nahatratrarana vola sandoka 10.000 Ariary, mitentina Ar 860.000

Vohemar : Lehilahy nahatratrarana vola sandoka 10.000 Ariary, mitentina Ar 860.000

Nahazo laka indray tato ho ato amin’iny tapan’ny avaratry ny nosy iny, araka ny vaovao voaray, ny fanaparitahana vola sandoka, ka misy amin’ireo olon-dratsy manadio izany. Ny asabotsy hariva teo, tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany, dia tovolahy iray 26 taona no voasambotry ny zandary tao anatina “bar” iray any Masonandrongo, distrikan’i Vohémar, izay tra-tehaka teo am-pisotroana toaka niaraka tamin’ny vola sandoka iray alina ariary miisa 86. Raha ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana dia efa ela no narahi-maso ity tovolahy ity noho ny fitarainana maro voaray, ka izao sarona izao ny asa ratsiny, raha mbola karohina kosa ny atidoha mpanamboatra ireto vola sandoka.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici